Nifarana omaly, ny tetikasa nahafahana nijery sy nanara-maso ny aretina cysticercose na voavary sy ny kankana (ténia) mpahazo ny biby. Mifindra amin’ny olombelona izany ka miteraka aretina ho azy, hany ka mahatonga vesatra eny anivon’ny fiarahamonina sy ny fiompiana eto Madagasikara. Ankehitriny, fantatra ny paikady hisorohana ity areti-mandoza ity, taorian’ny fikarohana nataon’ny mpisehatra amin’izany. Nisy ny andrana sy ny fitsaboana faobe ary ny fanafody nampiasaina mifandraika amin’izany”, hoy ny Dr Raymond, minisitra lefitra misahana ny Fiompiana, omaly, tetsy Antaninarenina, nandritra ny famaranana ny tetikasa fikarohana hisorohana ny voavary amin’ny kisoa sy ny kankana (ténia) amin’ny olombelona. « Misy, hoy ny Dr Raymond, ny fomba sy ny fepetra noraisina ahafahana misoroka ny zavatra mety hiseho hafa. Nentanina ny fiarahamonina hitsabo ny kisoa sy hanao vaksiny. Natao indrindra izany mba hahitana vokatsoa ho an’ny fahasalamana ». Antoka ho an’ny fidiram-bolan’ny tantsaha ny fahasalaman’ny biby fiompy. Araka izany, aparitaka manerana ny Nosy ity paikady ity hisorohana ny fifindrany amin’ ny olombelona. Marihina fa aretina mahafaty olona 50 000 isan-taona ny cysticercose
Henintsoa H.




