Apipa: Ezahina sokafana ny lalana eny Andralanitra

Mivangongo ny fako ary tery ny lalana hidiran’ny ka­miao manatitra fako eny amin’ny tobim-pako Andralanitra. Mifarimbona ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany sy ny Apipa ary ny kaominina An­tana­narivo Renivohitra miaraka amin’ny SMA mitady va­haolana.
Manao ezaka hanokafana ny lalana eny an-toerana izy ireo hahafahan’ny kamiao mivezivezy sy manatitra ny fako any anatin’ny tobim-pako mba tsy hiparitahan’izany amin’ny manodidina.
Sady fitandroana ny fahasalaman’ny mponina eny amin’ny manodidina no fandrindrana ny fivezivezen’ny fiarabe mpitatitra fako no tanjona amin’ny asa atao eny an-toerana, araka fanazavan’ny tomponandraikitra ao amin’ny Apipa.
Isan-taona, mitombo ny fitaterana ireo fakon’Antana­narivo rehefa fotoana fiakaran’ny voankazo satria mitombo avo roa heny ny habetsaky ny fako. Rehefa mirotsaka ny orana, manano-sarotra ny fidiran’ireny kamiao ireny eny Andralanitra ka dieny izao maima izao dia atao ny fandravonana ny lalana hanamora ny fidiran’ny kamiao eny.

Tatiana A

Partager sur: