Faritra Analamanga : nisongadina ny fanamboaran-dalana sy fotodrafitrasa

Niompana tamin’ny fanamboaran-dalana sy ny fananganana fotodrafitrasa ny faritra Analamanga tamin’ity taona ity. Nisongadina ny vokatra. Hijery manokana ireo tantsaha izy ireo amin’ny taona ho avy.

Nanao tombana ny zava-bita ho an’ity taona 2023 ity ny governo­ran’ny faritra Analamanga, mpi­solo toerana, Ratsiharovala Ramesy Mbola, omaly. Amina kilometatra ny fanamboaran-dalana vita. Teo koa ireo fotodrafitrasa natsangana. Samy nahazo ny anjarany ireo distrika 7 ao anatin’ny faritra Analamanga.
Iarahana amin’ny FDL ny asa. Nisy karazan’asa valo no natao. Nitentina 8 miliara Ar ny famatsiana isan-taona nahafahana nanao ny asa. 15 km isaky ny distrika ny lalana nasiam-panavaozana. Nisongadina indrindra tamin’izany ny asa natao tao Andra­masina hatrany Alatsinainy Bakaro. Nanampy betsaka ny mponina amin’ny famoaham-bokatra izany.
5 km kosa ny lalana vita pavé . Nisitraka izany ny teto Antananarivo Renivohitra, Ambohimalaza sy Manjakan­driana ary ny kaominina maro.
Niisa 3 ny sekoly vitan’ny faritra tamin’ity taona ity izay nahitana efitranon-tsekoly 15. Nahafahana nampitombo ny zaza mianatra izany ary nahafa-pahasahiranana ireo ray aman-dreny sy ny mpianatra ary ny mpampianatra.
Nahatratra 4km kosa ny lalana vita tara ary natao hanaraka ny fenitra izany mba hateza sy mahazaka ny fivezivezen’ny fiara.
Ho an’ny taona 2024, nametraka vina ny faritra Analamanga. Marobe ny fangatahan’ireo distrika ka hitohy ny asa amin’io taona hoavy io, hoy ny governora mpisolo toerana. Tsy hisy intsony ny kaominina hadino, araka ny fanamby efa napetraky ny filoham-pirenena hatramin’izay.
Anaovana ezaka manokana ihany koa ny fizarana zezika sy masomboly ho an’ny tantsaha eto Analamanga. Hampiroboroboana ny vokatra sy hanatsarana ny fambolena no tanjona. Mamatsy ny legioma ho an’Analamanga ireo tantsaha ka mendrika ho tohanana izy ireo. Anisan’ny fanohanana azy ihany koa ny fanamboaran-dalana ahafahany mamoaka vokatra sy mivarotra izany.

Tatiana A

Partager sur: