Feno 99 taona omaly, ny fikambanana Tily eto Madagasikara ary hankalaza ny jaobily faha-100 taona amin’ny taona 2024. Misy ny fandaharana manokana entina hanamarihina ka hanomboka ny 27 janoary 2024 eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina ho an’ny eo anivon’ny nasionaly. Samy hikarakara hetsika koa ny faritany tily 30 misy ary hipaka hatrany frantsa ny fanamarihana, araka ny fanazavan’ny komitin’ny faha-100 taona, Rakotoson Lalaina.
Fivoriana iraisam-pirenena any Paris mahakasika ny faha -100 taona no hanohizana ny fanamarihana. Isaky ny faritany, manomana hetsika mipaka any amin’ny fiarahamonina hanamarihina ny herinandron’ny tily eto Madagasikara ny mpikambana. Handrafitra ny tantaran’ny skotisma sy ny tily miorina eto amintsika ny tomponandraikitra. Hotanterahina ny 1 ka hatramin’ny 5 aogositra 2024 ny lasy jaobily lehibe any Fihaonana Andranovelona, distrikan’Ankazobe ary hanentanana ny rehetra hiomana sahady. Fotoana ahatsiarovana ny zavatra nolalovana rehetra tao anatin’ ny fikambanana ny fihaonana any an-toerana. Hotokanana koa ny tsangambato hita maso izay toerana hanorenana ny foibem-pikambanana. Hofaranana ny 20 desambra 2024 ny fankalazana ny faha-100 taona.
Teny faneva ho an’ny fankalazana ny hoe “Mandehana amin’izao herinao izao ka tanteraho ny fanompoanao”.
Vonjy




