Mitohy hatrany ny hetsika fahasalamana manakaiky vahoaka karakarain’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. Anjaran’ny mponina eny Ampefiloha indray no misitraka izany.
Nitsidika ny hetsika ny ben’ny Tanànan’Antananarivo Renivohitra, Andriantsitohaina Naina, omaly. Nanomboka ny talata ary hifarana anio ny hetsika ara-pahasalamana. Niompana tamin’ny fanentanana amin’ny fiarovan-tena sy ny tsy fanilikilihana ny olona voan’ny VIH/Sida no nampiavaka ny hetsika teny an-toerana. Mbola ato anatin’ny volana fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho amin’izany indrindra isika.
Ankoatra ireo tolotra nomen’ny CUA, nisy ny fitiliana Hépatite B sy Hépatite C izay areti-mandoza sy mifindra haingana. Teo koa ny fitiliana diabeta izay efa miha betsaka ny voany amin’izao fotoana. Ny fitiliana ny tsimokaretina VIH/Sida, fijerena maso ary ny fitsaboana raboka sy tazomoka.
Nahatratra 450 ireo olona tonga nanao fizaham-pahasalamana tao anatin’ny hetsika hatry ny omaly. Nisaotra ny ben’ny Tanàna ny mponina satria maro ireo tsy afaka mandeha eny amin’ny CSB noho ny antony maro ka fotoana ahafahana manao fizaham-pahasalamana maimaimpoana ny fisian’ny finiavana midina ifotony toy izao. Anjaran’ny boriborintany faharoa indray ny hetsika ara-pahasalamana manaraka.
Tatiana A




