CUA, BNI, Axian : maro ny fotodrafitrasa nohavaozina

Fararanom-pitokanana omaly, ho an’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Vita ary notokanana ny efitrano fitsaboana nasiam-panavaozana ao amin’ny to­bin’ny sampana mpamonjy voina Tsaralalana. Natolotra ihany koa ireo fitaovana vaovao izay ilaina amin’ny sehatry ny fahasalamana hampandehanana ny tobim-pahasalamana. Notokanana, omaly, koa ny tobim-pahasalamana ao amin’ ny tobin’ny vondrona polisy monisipaly Anosipatra­na, ahafahana manara-maso ny fahasalaman’ny mpamonjy voina.
Nisy ny fiaraha-miasa teo amin’ny CUA sy ny BNI Ma­dagasikara ary ny Groupe Axian, tamin’ny alalan’ny Pro­grama «Salama BNI» nahafahana nanatanteraka ny asa.
Nilaza ny ben’ny Tanànan’ Antananarivo Renivohitra, An­driantsitohaina Naina, fa be­tsaka ny ezaka efa vita mom­ba ny fikarakarana ny fahasalamana ho an’ny vahoaka.

Tatiana A

Partager sur: