Lalana nihotsaka Mahazengy: efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny RN7

Nanao ny ezaka rehetra ny minisiteran’ny Asa vaventy, mamerina amin’ny laoniny ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7). Nandray andraikitra avy hatrany ny minisitry ny Asa vaventy, ny kolonely Andriana­tre­hina Ndriamihaja Livah, nidina any Fianarantsoa raha vao nandre ny fahatapahana.
Efa misokatra ho an’ny fiara rehetra ny lalana eo amin’ny PK 416+300, mandalo ny fokontany Mahazengy, na­nomboka omaly tolakandro.
Vokatry ny oram-be nikija noho ny fandalovan’ny rivodoza Alvaro no nitarika ny olana. Nanainga ny alin’ny talata 2 janoary teo, ny fiarabe mitatitra ny « pont modulaire » ho any Fianarantsoa hanamboarana ny lalana tapaka ho an’ny fiara rehetra teo amin’ny lalam-pirenena fahafito RN7 nanomboka ny talata hariva teo. Nanomboka avy hatrany ny asa fanarenana sy famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana any an-toerana rehefa tonga any ireo fitaovana ireo.
Miasa andro aman’alina ny ekipan’ny minisiteran’ny Asa vaventy, indrindra rehefa fotoam-pahavaratra toy izao. Tsy miandry ela ny fanaovana ny asa vonjimaika ho fanarenana ireo fotodrafitrasan’ny lalana simba, hamerenana ny fifamoivoizana anatin’ny fo­toana fohy. Manentana ireo mpampiasa lalana hanaraka ireo toromarika omen’ny tomponandraikitra any an-toerana ny minisitera.

Vonjy

Partager sur: