Mahazengy- RN 7 : hametrahana tetezam-by ka ho tapaka

Manoloana ny mety ho mbola fiakaran’ny rano anatin’ny fotoam-pahavaratra, nanao fanambarana ny minisiteran’ny Asa vaventy, fa tsy maintsy hametraka tetezam-by vonjimaika (pont bailey) eo amin’ny PK 416+300 mandalo ny fokontany Mahazengy ny teknisianina. Ho fisorohana ny loza sy ho fiarovana ny mpampiasa lalana no anton’izany. Nanomboka omaly ny asa. Haharitra hatramin’ny rahampitso maraina amin’ny 9 ora. Tsy misy ny familian-dalana. “Ho tapaka ho an’ny fiara rehetra ny lalana mandritra ny fotoana fanamboarana sy fametrahana ny tetezam-by”, hoy ny fanambarana. Mila manaraka ny toromarika ho an’ny mpampiasa lalana ny rehetra.
Tsiahivina fa nihotsaka vokatry ny rotsakorana io ampahan-dalana io, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nitarika ny fampiatoana ny fivezivezen’ny fiara rehetra izany. Efa azo nampiasaina ny alarobia tontolo andro rehefa vita ny fanotorana ny faritra nihotsaka. Nanambara ireo kaoperativa mpitatitr’olona mampiasa ny lalam-pirenena fahafito fa mety hisy ny “transbordement” ho an’ny mpandeha sy ny entany rehefa ho tapaka tanteraka io ampahan-dalana io.

Vonjy

Partager sur: