Nitombo ho 26 075 ny olona traboina avy amin’ny tokantrano 5 979 ary 9 916 no voatery nafindra toerana (2 108 tokantrano) eny amin’ny toeram-pandraisana 36, ho an’ny faritra dimy voakasiky ny takaitra navelan’ny rivodoza Alvaro. Tsy nisy ny olona tsy hita popoka ary nijanona ho 10 ireo maty. Niakatra ho 5 072 ny isan’ny trano potika.
Ho an’ny traboina, ao amin’ny faritra Menabe no nahitana maro anisa satria mahatratra 10 732. 99 84 ny traboina ho an’ny faritra Fitovinany. Manaraka ny faritra Atsimo Andrefana, misy traboina 5 333, ao amin’ny distrikan’i Morombe ny 5 028 ary 305 ao Beroroha.
Ny tanimbary tao amin’ny distrikan’i Beroroha sy Morombe no tena difotry ny rano ny 3 220 ha, 300 ha ho an’ny voalohany ary 2920 ho an’ny faharoa. Tototry ny fasika koa ny tanimbary 3 ha ao Beroroha.
59 ny efitrano fianarana tsy manana tafo intsony, 47 tao Morombe, valo ao Ikalamavony ary efatra ao Manja. Any Ihosy, faritra Ihorombe, rava tanteraka ny efitrano fianarana roa.
Vonjy




