Nanomboka ny alakamisy teo, tao Morombe, ny fanadiovana ny tanàna sy ny lakandrano amin’ny alalan’ny asa tanamaro. Nalana ireo manentsina sy mananosarotra ny fivoahan’ny rano mihandrona noho ny rotsakoram-be. Nahatratra 167mm ny refin’ny orana nirotsaka tao anatin’ny 24 ora. Olona 75 no ahetsika mandritra ny dimy andro hanao ny asa mba hivoahan’ny rano haingana. Misitraka tambin-karama 6 000Ar isan’andro izy ireo. Raha hita fa mbola tsy misava tsara ny lakandrano na ahitana fahasarotana ny fivoahan’ny rano, mbola ho tohizina izany, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Olivier Andriakaja, nandritra ny fidinana ifotony nataony tany amin’ny distrikan’i Morombe, taorian’ny fandalovan’i Alvaro.
Faritra dimy: Atsimo Andrefana, Matsiatra Ambony, Menabe, Fitovinany, Ihorombe ary Atsimo Atsinanana, amin’ny 23 no voakasiky ny fandalovan’ilay andro ratsy Alvaro. Distrika 12 anatin’ireo faritra ireo no nitondra takaitra teo amin’ny fahasimban’ny fotodrafitrasa sy famoizana aina ary faharavana fananana.
Vonjy