Ambatovy : hanofanana tanora ho «soudeur» matihanina

Fandaharanasa handraisan’olona hiofana arakasa amin’ny lalam-piofanana iray ny “Internship program” ato­lotry ny orinasa Ambatovy. Tanjona ny famolavolana olona ho tonga teknisianina mahafehy ny fenitra iraisam-pirenena. Natokana ho an’ny mpianatra nahazo diplaoma ny tolotra ka maniry ny ho lasa Soudeur. Telo taona ny faharetan’ny fiofanana ho an’ireo voafidy : fampitana ny fahalalana fototra, fampiharana eo anivon’ny orinasa ary fifehezana ny teny anglisy, araka ny fanazavana. Ireo manana DTS na Licence amin’ny fabrication mécanique, génie mécanique, structure métallique na certificat d’aptitude, miaraka amin’ny mari-pahaizana bakalorea no afaka mangataka hifaninana hirotsaka ho mpiofana. Tokony ho 18 taona no ho miakatra ary mahafehy ny teny frantsay sy anglisy ireo mpangataka.
Afaka mandefa ny mombamomba azy hatramin’ny 12 janoary ho avy izao ireo rehetra liana. Aorian’ny fiofanana, mahazo fifanarahana arakasa anatin’ny fotoana tsy voafetra, arakaraka ny fisian’ny toerana ireo mpiofana. Tombony ny fahazoana certificat azo am­piasana amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Manentana ireo rehetra manana ny diplaoma mifandraika amin’izay ny minisite­ran’ny Fampianarana teknika hifaninana anatin’ity fandaharanasa ity. Hisokatra amin’ny faran’ny volana febroary ho avy izao ny fiofanana. Eto Antananarivo sy Toamasina no hanatanterahana ny fifantenana ireo rehetra nandefa fangatahana hiofana.

Vonjy

Partager sur: