Volana janoary: miseho amin’ny endriny maro ny famarinan’olona

Iray volana iadiana amin’ny famarinan’olona ny volana janoary. Miseho amin’ny endrika maro izany. Mitaky ezaka amin’ny ankolafin-kery samihafa ny tolona.

Endrika famarinana olona ny fanandevozana an-trano izay mihatra amin’ny mpiasa an-trano tsy afaka miala amin’ny asany, iharan’ny fanararaotana ary zara raha mandray karama na tsy mandray mihitsy aza. Eto Mada­gasikara, maro amin’ireo mpi­asa an-trano no zaza tsy ampy taona. Matetika izy ireo no tsy mandray karama, satria mivantana amin’ny fianakaviany ny karamany. Matetika dia iharan’ny fanararaotana amin’ny endriny isan-karazany ny zaza tsy ampy taona miasa an-trano.
Sady tsy ampy taona kanefa miandraikitra ny zanaky ny mpampiasa azy tsy mbola ampy taona ihany koa ary iharan’ny sazy mavaivay raha misy tsy fahatomombanana ny fitaizana. Miharihary eo amin’ny fiarahamonina izany.

Volabe no mihodina
Manodidina ny 600 000 isan-taona ny olona voakasiky ny famarinana ary lasibatra ny ankizy sy ny vehivavy, eny hatramin’ny lehilahy aza dia tratran’izany.
Vola mitentina 32 miliara dolara mahery no mihodina ao anatin’izany famarinan’olona sy fanondranan’olona antsokosoko izany.
Anisan’ny endrika isehoan’ny famarinan’olona matetika ny fanararaotana ara-nofo. Ankoatra izany, ny fandraisan’olona hiasa amin’ny fomba tsy ara-drariny na misy fanangolena, fitaterana antsokosoko, fampiantranoana sy fandraisan’olona an-tery na misy fampiasan-kery, ny fanararaotana araka asa tsy ara-drariny sy tsy nifanarahana, fandrahonana…. Eo koa ny fakana an-keriny, ny fampiasana hosoka hitondrana olona amina toeran-kafa, ny fanararaotana sy ny hafetsifetsena isan-karazany…
Manana andraikitra manoloana izany ny fanjakana dia ny fametrahana lalàna velona miady amin’ny famarinan’olona, fiarovana ny mombamomba ilay olona lasibatra, fametrahana drafitra isitrahan’ireo olona voakasiky ny famarinana, ny fandraisana an-tanana ara-batana sy ara-tsaina ary ny famerenana azy ireo eny anivon’ny fiarahamonina …

Tatiana A

Partager sur: