Nitondra fanazavana ny talen’ny Apipa momba ny fanadiovana ny lakandrano amin’izao vanim-potoanan’ny fahavaratra izao. Nirotsahana avy hatrany ny eny amin’ny fokontany IIIG Hangar, eny amin’ny charbon Ramanandraibe sy i Sainte Marie kely, izay tena nahitana fakobe niteraka fitohanana. Natao ihany koa ny eny amin’ny Dallot ambanin’ny RN58a. toraka izany, ny eny amin’iny faritry ny lalam-by sy ny manodidina, Ankorondrano, Ivandry, Morarano ary Soavimasoandro.
Taorian’ny faran’ny taona, mafy ny asa, satria niverina feno fako sy tsikafona nentin’ny riaka indray ny lakandrano, sns. Nanentana momba izany ny tale jeneralin’ny Apipa, mba tsy hanarinariana fako eny rehetra eny, indrindra anatin’ireny lakandrano vaventy ireny. Anisan’ny antony voalohany mampiakatra ny rano eto Antananarivo ny fahatsentsenan’ny lakandrano ateraky ny fako.
Nentanina ny fokontany, ny kaominina, ny boriborintany samy hanaja ny fahadiovana mba tsy hiangonan’ny rano…
Miasa tsara avokoa ireo milina fitrohan-drano rehetra, toy ny eny amin’ny station de pompage Ambodimita.
Tatiana A