Fokontany Andranomanalina I…. : lakandrano 800 m nodiovina

Nifarimbona ny mpiasan’ny kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Rafitra fikojana ny rano, fahadiovana sy fidiovana (RF2) nanadio lakandrano. Notanterahina teny amin’ny fokontany Andranomanalina I, Andranomanalina Isotry ary Ambalavao Isotry izany, omaly. Lakandrano mirefy 800 m no voadio. Fako, fotaka, diky no nesorina sy nosikirina tamin’izany. Tanjona ny hahafahan’ny rano mikoriana ao anatin’izao fahavaratra izao. Mampihena ny fiakaran’ny rano eny an-toerana ny fahavitan’ny asa.
Mitohy ny fanentanana ataon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ireo mponina amin’ny fanajana ny fahadiovana, tsy hanariana fako sy poti-kanina any anaty lakandrano. Mandrora miantsilany ireo minia manao izany satria rehefa tonga ny fotoam-pahavaratra dia ho dibo-drano indray rehefa tsentsina ny lakandrano.
Misahana indrindra ny fanadiovana ny any anaty tanàna ny rafitra RF2. Misy ny latsakemboka isam-bolana ataon’ny isan-tokantrano ho azy ireny. Misy tena mahavita ny asany ireo RF2 eny amin’ny fokontany. Ny sasany kosa mila taitairina matetika.

Tatiana A

Partager sur: