Nampahafantatra ny sampana mpamonjy voina ao amin’ ny Kaominina Antananarivo Renivohitra fa amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao dia mety hisy ireo hazo ahiana hidaraboka ka mety hampidi-doza.
Nanentana, araka izany, ny CUA mba hampandre haingana ny sampana mpamonjy voina amin’ny laharana 118 raha vantany vao mahita tranga mifanaraka na mampiahiahy.
Ny sampana mpamonjy voina dia efa vonona amin’ny fitaovana hoentina miaro ny mpiara-belona sy ny fananany. Mila jerijerena ny manodidina ny sekoly sao misy hazo mety hitera-doza ho an’ny mpianatra na ny fotodrafitrasa. Toraka izany koa ny eny amin’ny tobim-pahasalamana sy ny biraom-panjakana.
Tsy ny hazo ihany fa na ireo rindrim-bato sy rindrin-tany mandindona ahiana hihotsaka dia tokony hampahafantarina ny tomponandraikitra ahafahana misoroka amin’ny loza mitatao amin’ny mpiara-belona.
Mila mailo amin’izao vanim-potoanan’ny orana izao amin’ ny fahalemen’ny tany ka mety hampihotsaka azy.
Tatiana A




