Toy ny isan-taona : fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra

Toy ny fanao isan-taona, rahampitso ny fankalazana ny Andron’ny manamboninahitra. Samy hiara-hankalaza izany avokoa ny manerana ny faritra rehetra. Nanao fampilazana ho an’ireo mponina manodidina ny toby miaramila rehetra voakasik’izany ny tomponandraikitra eo anivon’ny fibaikoana ny mpitandro filaminana mba tsy ho taitaitra. Anisan’izany ny eto an-drenivohitra, toy ny eny amin’ny toby Ankadilalana Mahamasina sy Ratsimandrava andrefan’Ambohijanahary. Misy ny fomba amam-panao miaramila ho fanamarihana ity vaninandro lehibe ity, amin’ny alalan’ny horakoraka sy kotaba ary fanapoahana basy, vao mangirandratsy. Marihina fa ao anatin’ny faritry ny toby ihany no hanaovana ny hetsika, raha ny fanazavana. Anisan’ireo manamarika ny Andron’ny manamboninahitra rahampitso koa ny eo anivon’ny Akademia Miaramila (Acmil) Antsirabe. Rehefa fotoana toy izao dia ny manamboninahitra zandriny indrindra no mandray ny fibaikoana ireo zoky.

J.C

Partager sur: