Sampana mpamonjy voina : amboarina ireo fantson-drano eny Analakely sy Mahamasina

Manatanteraka ny asa fanamboarana ireo fantsona mamatsy rano mandritra ny fisiana tranga fahamaizana eny Analakely sy Mahamasina ny sampana mpamonjy voina, ao amin’ny kaominina An­tananarivo Renivohitra.
Ireo fantsona ireo no ampiasain’ny ekipa milatsaka an-tsehatra amin’ny famonoana afo eny amin’ireo toerana ireo. Tsy azon’iza na iza ampiasaina izany fantsona izany afa-tsy ireo mpamonjy voina am-perinasa ihany mba tsy hifangaro amin’ny fantsona mamatsy toeran-kafa.
Miisa 247 ny fantson-dranon’ny sampana mpamonjy voina eto amin’ny kaominina Antananarivo Renivohitra. 166 amin’izy ireo ihany anefa no azo ampiasaina sy mandeha tsara. Mila fanamboarana tanteraka kosa ny 42 ambiny any anaty tanàna rehetra any mba hampahomby ny asa vonjy voina, famonoana afo, rehefa misy ny tranga. Niarahana tamin’ny Jirama ny fanamboarana mba hahalavorary ny asa.
Mandritra ny haintany no matetika mamely ny firehetana na fahamaizana fotodrafitrasa eto Antananarivo. Fo­toana hanavaozana ny fitaovana indrindra izao.
Maro ny toerana manano sarotra ny famonjena mandritra ny loza ao aminy noho ny fahateren’ny lalana sy elakelatrano tsy maintsy handehanan’ireo mpamonjy voina.

Tatiana A

Partager sur: