Toy ny isan-taona, misedra olana amin’ny fandraisana ny zaza marary ny eny amin’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra. Mifanandrify amin’ny fahatongavan’ny aretin’ny taovam-pisefoana izany, amin’izao fotoana izao. Nahitana fitomboana, araka izany, ny tahan’ny ankizy marary raisin’ny hopitaly. Voavaha ara-dalàna ihany izany, raha ny fanazavan’ny tomponandraikitra eny an-toerana.
Niha betsaka tsy toy ny mahazatra ny tahan’ny zaza miditra hopitaly eny anivon’ny hopitalin-jazakely Ambohimiandra, amin’izao fotoana izao. Ankizy latsaky ny telo volana ny ankamaroan’ny miditra hopitaly, raha ny tatitra voaray teny an-toerana. Feno avokoa ny fandriana sy ny toeram-pandraisana marary amin’ny ankapobeny. Manodidina ny 45 eo ny fandriana natokana handraisana azy ireo eny amin’ity hopitaly ity. Tsy maintsy asiana “oxygène” sy “sérum” ny ankamaroany, satria ahitana fahasoratana ny aretina. “Miara-miasa amin’ny hopitalin-jazakely hafa eto an-drenivohitra izy ireo, araka izany, mba hamindrana sy handraisana an-tanana ny marary rehefa feno ny hopitaly”, hoy ny tomponandraikitra iray eny an-toerana, ny Pr Rakotonandrasana Harimbola David. Ankoatra izay, iharan’ny fahatapahan-jiro matetika ihany koa ny eny an-toerana. “Ezahina ny mamaha izany araka ny tokony ho izy. Ampahafantarina ny ambaratonga ambony isan-tsokajiny kosa raha sanatria misy tsy voavaha, ary izy ireo no mandray fepetra mifandraika amin’izany”, hoy hatrany izy.
Otrikaretina antsoina hoe “bronchiolite”
Aretina tena mpahazo ny zaza amin’izao fotoana izao, ny otrikaretina eo amin’ny taovam-pisefoana antsoina hoe: “bronchiolite”, raha ny fanazavan’ny Profesora. Mitarika fahasemporana eo amin’ny zazakely izy io. Miatomboka amin’ny koha-maina sy sery mahazatra izany. Lasa miha sahirana rehefa miaina ny zaza avy eo. Sitrana ho azy toy ny aretina gripa rehetra ihany izany amin’ny ankapobeny, raha ny fanazavan’ny profesora hatrany. Tsy maintsy miditra hopitaly kosa, indrindra ireo latsaky ny telo volana, satria tsy mahatohitra ny fahasemporana mahazo azy izy ireny. Mila “oxygène” izany rehefa tonga eny amin’ny hopitaly. Mila “antibiotique” ny ampahany fa tena miantoka ny fahasitranana ny hery fiarovan’ny zaza.
Ilaina ny fanasana tanana amin’ny rano sy savony matetika. Eo ihany koa ny fampiasana arovava orona, mba hisorohana ny fifindran’ny aretina. Entanina hanatona ny toeram-pitsaboana ny ray aman-dreny, vao misy tranga hafahafa miseho amin’ny zaza.
Mino