Mahery vaika i Belal : 250 km ny rivotra entiny

Nanomboka halina, nahazo ny filazana miloko mena, manambara loza mihatra amin’ny fiavian’ny rivodoza Belal ao amin’ny ranomasina Indianina ny Nosy La Réunion, araka ny voalazan’ny prefet ao an-toerana. Nanentana ny mponina rehetra hanao tahiry amin’ny sakafo sy ny rano madio ary hijanona any an-trano ny tomponandraikitra ho fisorohana ny voina mety hiseho. Araka ny fanambaran’ny Meteo France, matanjaka i Belal ary mahatratra 250 km ny herin’ny rivotra miaraka aminy eny amin’ny faritra avo. Ahiana, noho izany, ny fahasimbana goavana haterany, hoy ny teknisianina momba ny famantarana ny toetry ny andro. Mahatratra 870 000 ny mponina ao aminy, izay efa niomana amin’ny sakafo satria haharitra hatramin’ny rahampitso maraina ny filazana miloko mena nambaran’ny prefet.
10 taona lasa no nisedra rivodoza mahery vaika tahaka izao i La Réunion, tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Bejisa tao anatin’ny fiandohan’ny taona 2014. Omaly tolakandro, tany amin’ny 280 km avaratra andrefan’i La Réunion i Belal ary efa voasokajy ho rivodoza mahery vaika.

Vonjy

Partager sur: