Faritra Amoron’i Mania : fehezina ny aretina pesta, apetraka ny paikady

Nametraka paikady ny ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hamongorana ny aretina pesta. Nentanina amin’ny fahamailoana rehetra ny mponina mba tsy hiitaran’ny fahavoazana.

Nidina tany amin’ny faritra Amoron’i Mania ny talen’ny fampiroboroboana ny fahasalamam-bahoaka, Raharimamonjy Lalie, niaraka tamin’ny ekipany, ny herinandro teo. Name­traka ny drafitra maty paika hiadiana amin’ny valanaretina pesta izy ireo tamin’izany. Anisan’ny mbola faritra mena amin’ny aretina pesta rahateo iny faritra iny ka antony nanaovana ny fanentanana.
Nifarimbona tamin’ireo sampandraharaham-panjakana maro tany an-toerana ireo ekipa, hisian’ny fahombiazana eo amin’ny fanentanana sy fanafoanana tanteraka ny valanaretina.
Natao ny fakan-kevitra avy eo narafitra ho paikady iombonana hiadiana amin’ity valanaretina ity.
Napetraka ny fepetra, navoitra ireo karazan-dalàna sy famaizana, hoy ny prefektoran’ny distrikan’Ambositra, Rakotomalala Richard, ahafahana manao ny fandrafetana ny fisorohana. Anjaran’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fandraisana an-tanana. Maimaimpoana avokoa ny fitsaboana sy ny fanafody. Vonona ireo fanafody na ho an’ny marary na ho an’ireo fianakavian’ny marary na ireo nifanerasera rehetra, hoy ny talem-paritry ny Fahasala­ma­na ao Amoron’i Mania.

Nentanina amin’ny fahamailoana ny mponina. Mifindra amin’ny alalan’ny kaikitry ny parasy ny pesta atoditarimo. Manomboka mafana hoditra, marary an-doha sy reraka tampoka ilay marary. Misy fivontosana ao ambany heliny, na eny amin’ny tenda na any amin’ny foto-pe. Ho an’ny pesta aretin-tratra kosa, mikohoka ny marary ary misy piti-dra ny rehoka. Marary mafy ny tratra rehefa mikohoka ary mety ho tonga amin’ny fahasemporana raha taratara. Avy hatrany dia eny amin’ny tobim-pahasalamana no mandeha raha misy tranga mitovy amin’ izany.

Tatiana A

Partager sur: