Mampiantrano ny fampirantiana “Ilay tany vaovao” sy “Sedran’ny Tany” ny ivontoeran’ny kanto Hakanto Contemporary, Ankadimbahoaka, ny 6 janoary ka hatramin’ny 20 avrily. “Sedran’ny tany” sanganasa navoakan’i Mialy Razafintsalama niaraka tamin’ny fanohanan’ny Filatex énergie, sampana iray ao anatin’ny Vondrona Filatex. Fampirantiana mifantoka amin’ny lohahevitra ny “Tanindrazana, tany mitsinjo ny tontolo iainana”. Tao anatin’ny fanatanterahana izany, namakivaky ny lalam-pirenena fahafito niala teto Antananarivo hatrany Toliara ny mpanakanto. Nandritra ny dia no nahafahany naka sary ny toerana sy ny tontolo manodidina nanaitra azy ka ampitainy amin’ny mpitsidika ny ranty.
Tsy mijanona amin’ny fanehoana ny fihetseham-po ity mpanakanto ity. Mandalo amin’ ny sanganasany koa ny eritreriny momba ny tany sady ankamamiany. Ny mampiavaka an’i Mialy dia ny fiorenany amin’ny hakanton’i Madagasikara, na eo amin’ny lafiny kolontsaina izany na eo amin’ ny fanehoana ny hatsaran’ny faritra tsirairay.
“Sedran’ny Tany” no fampirantiana manokana voalohany nokarakarainy ka nahafahany naneho firaiketam-pony ho an’ny tanindrazany. Amin’ ny maha mpisehatra mavitrika azy eo amin’ny firosoana eo amin’ny fampiasana angovo madio dia nanolotra ny anjara birikiny tamin’ny fanatanterahan’i Mialy Razafintsalama ny Filatex énergie. «Fanirian’ny orinasa ny hanohanany an’i Madagasikara amin’ny fampiasana angovo azo havaozina», hoy ny tale mpitantana ny vondrona Filatex, Tahina Ramaromandray.
Jean Claude