Minisitra Fomendraza Haingo Elisette : kendrena hisitraka ny zony ny saranga marefo

Tontosa omaly, ny fifamindram-pahefana teo amin’ny minisitry ny Mponina teo aloha, Soafilira Princia, sy ny minisitra vaovao, Fomendraza Haingo Elisette.
Hanohy ny asa tsara efa natomboka ny minisitra. Ezaka kosa ny hanatanterahana ny asa ao anatin’ny 100 andro, araka ny baikon’ny filoham-pirenena, izay hifanindran-dalana amin’ny soatoavina sy ny fampandrosoana lovain-jafy. Mampiavaka ny Malagasy ny fihavanana sy ny firaisan-kina ary manana anjara toerana lehibe amin’izany ny maha olona.
Hojerena manokana ny vehivavy mba hanana fahaleovantena. Hatao adisisika ny fijerena ny zon’ny sembana sy ny ankizy ary ny zokiolona sy ireo tsy misy mpiahy. Misy ny lalàna tokony hatsaraina sy havaozina ka hisitrahan’ireo saranga marefo ny zony feno.
Ho fanatanterahana ny fanjakana tsara tantana sy lavitry ny kolikoly dia tsy hisy ny fanilihana, apetraka ny fandraisana andraikitra ary ilaina ny fiaraha-mientana.
Tena hipàka any amin’ireo tokony hisitraka ny asa sosialy ny ezaka. Mitaky fahavononana sy firaisan-kina anefa izany.
Ny fankalazana ny 8 mar­sa no hetsika goavana akaiky indrindra. Miandry ny toromariky ny vadin’ny filohan’ny Repoblika ny fiaraha-manatanteraka izany. Efa mivonona kosa ny ekipa any amin’ny faritra rehetra.

Tatiana A

Partager sur: