Valanjavaboahary Tsimbazaza: hovatsiana sakafo ara-dalàna ireo biby ela nijaliana

Hitondra fiovana eo amin’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny ezaka tafiditra ao anatin’ny 100 andro voalohany ataon’ny Mesupres. Hofahanana sakafo ara-dalàna ireo biby ompiana ao an-toerana. Mahavelombolo ireo mpitia zavaboahary izany ary ainga vao hoan’ ity toerana ity.

Avy hatrany dia ny valanjavaboahary ao Tsimbazaza no notsidihin’ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa (Mesupres), Dr Razafiharison Andriamanantena, amin’izao fiandohan’ny fotoam-piasany izao. Vaindohan-draharaha ny hanome sakafo ara-dalàna ireo karazam-biby ompiana ao, izay nisy fotoana tena efa nijaly satria tsy araka ny sakafony sy ny fanaraha-maso.
Nandalo fotoan-tsarotra ny fikarakarana ny toerana teo aloha. Nijaly ireo biby ary tsy takona hafenina tamin’ireo mpitsidika izany. Nisy ny aretina nahazo ny biby sasany. Nandalo krizy ihany koa ireo mpiara-miasa ka nisy ny fitokonana nisesy. Misarika mpizahatany ary mahaliana hatrany ny famantarana ireo biby ao an-toerana. Porofon’izany ny vahoaka marobe milahatra eny isaky ny fotoam-pialantsasatra na isaky ny faran’ny herinandro.
Hanarina izany rehetra izany, hanome hoavy tsaratsara kokoa ho an’ny valanjavaboahary Tsimbazaza ny minisitra sy ny ekipany. Ezaka tsy maintsy himasoana ny fanatsarana ary efa misy ny tetikasa voarafitra hoenti-manatanteraka azy.
Tonga dia irosoana kosa ny lamina hoenti-mamaha ny olana misy. Nanainga ireo lehiben’ny departemanta 4 misy ao amin’io valanjavaboahary io ny minisitra mba hanao andrimaso akaiky io lafiny io.
Haingana ny asa ary tokony hahomby, ao anatin’ny hazakazaka ataon’ireo tomponandraiki-panjakana voatendry rehetra. Takina vokatra anaty fotoana voafetra rahateo izy ireo ka mila manambatra hery hanatrarana izany.
Ilaina ny fiaraha-mientan’ny mpiasa, ny mpitantana, ny mpamatsy sakafo ary ny minisitera mpiahy amin’ny famahana ny olana misy.

Foibem-pikarohana ny ao Tsimbazaza
Foibem-pikarohana iray eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ny valanjavaboahary Tsimbazaza (PBZT). Naorina sy nosokafana tamin’ny taona 1925. Raha toeram-pikajiana zavamaniry izy tany am-piandohana dia lasa toeram-pikarohana momba ny biby sy zava-maniry ity toerana ity nanomboka ny taona 1935. Ny taona 1990 kosa no nanolorana azy ho eo ambany fiahian’ny Mesupres amin’ny maha foibem-pikarohana azy.
Vako-pirenena ny valanjavaboahary Tsimbazaza ka ilana fikajiana sy fikojakojana mifanentana amin’izany, hoy ny minisitra.

Tatiana A

Partager sur: