Nihaona tetsy amin’ny masoivoho amerikanina, nandritra ny 3 herinandro, ireo mpianatra sy mpampianatra amerikanina avy amin’ny Lafayette Collège Pensylvania niaraka tamin’ireo mpianatry ny Lycée Andohalo.
Nisy ny fifanakalozana nahafahana nifampizara fahaiza-manao, indrindra mizatra miteny anglisy. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tetikasa “Lafayette Initiative for Malagasy Education (Lime)” ny fihaonana.
Efa hatramin’ny taona 2010 no niandohan’ny tetikasa. Mpianatra avy amin’ny oniversite sy fakiolte Lafayette miisa 169 no mitan-tsoroka Malagasy mpianatra manodidina ny 350 avy amin’ny ambaratonga faharoa.
Nizara torolalana ho azy ireo amin’ny dingana arahina amin’ny fanohizana fianarana any Etazonia ireo vahiny mpianatra ireo. Malagasy mpianatra 11 no efa mandranto fianarana any Etazonia ankehitriny vokatry ny fiaraha-miasa.
Afaka nifanakalo hevitra tamin’ny masoivohon’i Etazonia, Claire Pierangelo, ireo mpianatra sy mpampianatra amerikanina mpitantsoroka ireo. Nidinika mahakasika ny diplomasia sy ny asa ary ny andraikitry ny masoivoho amerikanina sy ny kaonsolary maneran-tany izy ireo.
Nahazo torohevitra mivantana momba ny fianarana sy fiainana any Etazonia avy amina Malagasy mianadahy mpianatra efa nandranto fianarana tany an-toerana ihany koa izy ireo.
Nampahafantarina ireo mpianatra etsy Andohalo koa ny fisian’ny tahirin-kevitra sy ireo fanararaotra atolotry ny American Corners eto Madagasikara.
Tatiana A