Nosantarina tamin’ny lakandrano teny 67 ha ny fanalana ny fako, tamin’ity herinandro ity. Haharitra 5 andro ny fanatanterahana izany. Mifarimbona ireo herivelona rehetra amin’ny fanatanterahana ny asa, mba hahafahan’ny rano mikoriana tao anatin’ireny oram-be nisesy ireny. Tanjona ny tsy hampiakatra ny rano eny amin’ny faritra iva.
Miisa 302 ireo olona manatanteraka ny fanadiovana ho an’Antananarivo I. Fokontany 9 no voakasik’izany. Hiitatra amin’Antananariovo IV sy Atsimondrano ny asa amin’ny herinandro.
Iraisan’ny ekipan’ny distrika, RF2, ny sefo fokontany ary ny BNGRC ny fanaraha-maso ny asa. Avy amin’ny governoran’ Analamanga kosa ny kamiao hatanterahina izany. Eo koa ny kamiao avy amin’ny SMA ary ny avy amin’ny BNGRC.
Taterina avy hatrany eny Andralanitra, araka izany, ny fako tafavoaka ao anaty lakandrano fa tsy avela hivangongo intsony.
Mifanampy amin’ny fanatanterahana ny asa fanalana ny fako ny kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Apipa, ny fampandrosoana ny faritra ary ireo herivelona eny ifotony.
Sandaina sakafo ireo ekipa manadio lakandrano. Mahazo vary milanja 2,5 kg, voamaina 0,5 kg ary menaka 0,5 l isan’andro, isan’olona, izy ireo. Avy amin’ny fitondram-panjakana ireo, tsinjarain’ny BNGRC. Toraka izany koa ireo fitaovana iasana.
Tatiana A