Antsalova : Avotry ny miaramila ireo takalonaina

Azon’ireo miaramila (Tafika sy zandary) teny am-pelata­nan’ny dahalo, omaly maraina, ireo olona efatra natao takalonaina. Nalain’ireo malaso tao amin’ny fokontany Amba­lakazaha, kaominina ambanivohitr’i Masoarivo, distrikan’ Antsalova ireto takalonaina efatra nalaina an-keriny ireto. Nanao fanafihana tao an-tanàna ireo dahalo nirongo fitaovam-piadiana naka omby sy olona efatra. Nanao fanarahan-dia avy hatrany ny mpitandro filaminana ka nanao savahao nampian’ny fokonolona tao an-toerana. Nahitam-bokany izany satria tratra teo anelanelan’Antsalaza sy Masamaha, ao anatin’ny kaominina Masoarivo, ireo malaso, omaly. Nisy ny fifandonana tamin’ireo dahalo ka avotra soa aman-tsara ireo nalaina an-keriny. Tsy misy ahina ny momba azy ireo. Tsy nisy rahateo koa ny vola naloa takalon’izy ireo fa efa nataon’ny Foloalindahy sy ny fokonolona izay nahavotsotra azy ireo. Efa any an-dalana mitodi-doha any an-tanàna fiaviany ny mpitandro filaminana miaraka amin’ireo olona efatra ireo.

J.C

Partager sur: