Misokatra ho an’ny tanora tsy ankanavaka manerana ny Nosy ny fiofanana omen’ny fanjakana mikasika ny Call Center izay asa miroborobo tanteraka eto Madagasikara. Mikasika ny fomba fitantanana ny fifandraisana amin’ny mpanjifa amin’ny alalan’ny antso an-tariby no hiompanan’ny fiofanana.
200 ireo tanora kendrena hisitraka izany fiofanana izany amin’ity andiany voalohany ity, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa.
Tanjona ny fanatrarana ny vinan’ny filoham-pirenena ho amin’ny fampanananan’asa ny tanora indrindra ireo vehivavy .
Maimaimpoana ny fanofanana ho an’ireo tanora 18 taona mihoatra. Atao amin’ny alalan’ny mail fpcallcenter. metfp@gmail.com ny fisoratana anarana izay hifarana ny alarobia atoandro.
Takiana amin’izany ny taratasy mirakitra ny mombamomba ny tena (CV) sy ny taratasy milaza ny fahavononana amin’ny fiofanana, miampy ny laharan’ny finday hanamorana ny fiantsoana haingana.
Hanomboka ny zoma izao ao amin’ny Complexe Ampefiloha ny fiofanana omen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknina sy ny fanofanana arakasa. Misy ny fepetra kely indrindra takiana amin’ny mpiofana toy ny fahaiza-miteny frantsay tsara, mahay mampiasa ny fitaovana informatika, ary mahay mifandray tsara aman’olona.
Tatiana A