Voka-panadinana – CNtemad: tsy maintsy atao ny fampitahana ny naoty

Fomba fiasa vaovao no entina ao amin’ny CNtemad hisian’ny mangarahara amin’ny voka-panadinan’ny mpianatra. Tsy maintsy ampitahana ny naoty sao misy tsy itoviany ka mandiso zavatra betsaka.

Fanapahan-kevitra vaovao noraisina ao amin’ny CNtemad ny tsy maintsy hampitahana ny naoty anatin’ ny taratasim-panadinana sy izay voarakitra ao amin’ny «relevée des notes» an’ny mpianatra tsirairay.
«Tanjona ny hisian’ny ma­ngarahara sy hampitony ny sain’ny mpianatra rehefa ma­zava tsara sy voaporofo ny vokatry ny asa nataony», hoy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Razafiharison Andria­ma­nantena, rehefa nitsidika ity toeram-pianarana ity, ny faran’ny herinandro teo.
Avy hatrany dia nampiharina ny toromarika ka efa miroso amin’izany fampitahana ny naoty izany ireo tomponandraikitra ankehitriny. Efa vita tanteraka rahateo ny fitsarana ny taratasim-panadinana, izay natao ny 23 hatramin’ny 27 oktobra tamin’ny taon-dasa. Miandry fatratra ny voka-panadinana anaty mangarahara, araka izany, ireo mpianatra.

Fomba fiasa vaovao
Tetsy andaniny, nanazava ny fomba fiasa vaovao amin’ny fanatanterahana ny “délibération” tamin’ireo mpampianatra sy tomponandraikitra ao amin’ny CNtemad ny minisitra. Hotsinjaraina isaky ny “mention” sy ny “niveau” izany manomboka izao fa tsy atao amin’ny ankapobeny intsony. Ireo mpampianatra ao anatin’ireo lalam-piofanana isaky ny sokajy avy ihany no mandray anjara amin’ny “délibération” manomboka izao fa tsy ny rehetra intsony.
Maherin’ny 1 600 ireo mpianatra mandranto fianarana ao amin’izao fotoana.
Heverina hitondra ainga vao ho an’ny fampianarana ampitain-davitra ny fanavaozana entina amin’ny fomba famoahana ny voka-panadinana.
Manampy betsaka ny mpianatra ny fisian’ity fampianarana ampitain-davitra ity, indrindra ireo lavitra oniversite any amin’ny faritra.

Tatiana A

Partager sur: