Distrikan’i Boriziny : tsipahin’ireo tantsaha ny fibodoan’ olon-tokana ny taniny

Tany mirefy 1 200 hektara, hiveloman’ny tantsaha an’arivony, kasain’olon-tokana ha­midy amin’ny teratany vahiny ao amin’ny fokontany An­tsambalahy, kaominina Tsara­hasina, distrikan’i Boriziny, ny 9 janoary teo. Nohajarin’ny tantsaha arivo mahery na­nomboka ny fanjanahan-tany anefa io tany io, araka ny fanazavan’izy ireo. Olon-tokana voalaza fa taranaka vazaha tamin’ny andron’ny fanjanahan-tany, araka izany, no voalaza ho mikasa haka sy hamarotra indray ny tany. Ma­noloana io tranga io, nivory ireo fokonolona rehetra misitraka asa fivelomana amin’ny alalan’ny fambolena sy fiompiana amin’io tany io, ny faran’ny herinandro teo. Manohitra ny fibodoana ny tany ataon’io olon-tokana io izy ireo. Miankina amin’io tany hamokarany io avokoa ny fiharian’izy ireo ka antony handavany izany. Manoloana io raharaha io, miantso ny fitondram-panjakana mahefa ireo tantsaha ao an-toerana hijery akaiky ny zava-misy. Laharam-pahamehana ho azy ireo ny hisian’ny marimaritra iraisana ahafahany mivelona ara-dalàna. Manahy ny amin’ny hoavin’ny vady aman-janany rahateo ireo raim-pianakaviana voakasik’ity ady tany ity.

Tsiferana R.

Partager sur: