Takaitran’ny orambe: telo ny olona maty, iray tsy hita popoka

Niakatra ny isan’ny olona namoy ny ainy sy traboina vokatry ny orambe niseho farany teo. Mbola nahazo fampitandremana amin’ny fahabetsahan’ny rotsakorana ny faritra maro anio sy rahampitso.

Niakatra ho telo ny olona namoy ny ainy vokatry ny orambe niseho nanomboka ny 16 janoary lasa teo. Iray tany Mae­va­tanàna, ary roa hafa tany Toamasina II ka maty an-drano vao hita ny alatsinainy teo ny iray, araka ny tatitry ny BNGRC, omaly. Olona iray koa no tsy mbola hita hatra­min’ny omaly, tany Boriziny. Efatra ny olona naratra tany amin’ny distrikan’Ikongo.
Nitombo ho 6 603 ny traboina, avy amina tokantrano 1 795. Mahatratra 2 486 ny olona nafindra toerana (tokantrano 603). Amin’izao fotoana izao, 1 772 ny olona ( tokantrano 447) raisina an-tanana eny amin’ny toeram-pandraisana enina iraisana ary olona 709 ( tokantrano155) niantrano vonjimaika any amin’ny havana.
Ho an’ny fotodrafitrasa ko­sa, 1 823 ny trano simba raha 25 rava tanteraka. 14 ny efitrano fianarana simba amin’ ny ampahany ary efatra lasan’ ny rivotra ny tafo raha toa ka roa potika tanteraka. 12 655 ha ny tanimbary difotry ny rano, raha 205 ha tototry ny fasika tanteraka. Faritra 10 voakasiky ny vokatry ny orambe dia Ana­la­manga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Betsi­boka, Boeny, Diana, Fitovi­nany, Melaky, Menabe ary Sofia.

Mila mitandrina
Momba ny toetry ny andro, araka ny fanazavan’ny foibe fa­mantarana ny toetry ny an­dro, hahazo vahana hatrany ny talio ato anatin’ny roa andro manaraka ka hiteraka alondrano mampidi-doza amin’ny mo­ron­tsiraka avaratra andrefan’ ny Nosy izany. Ho mafy ihany koa ny fitsokan’ny rivotra any amin’ny morontsirak’i Menabe, Atsimo Andrefana, Diana, Sofia sy Sava ary ny tapany avaratra amin’ny morontsirak’i Boeny. Mila mitandrina, noho izany, ny mpampiasa ranomasina amin’ireo faritra ireo.
Hahery ny ranomasina ho an’ny morontsirak’i Diana, So­fia ary ny tapany avaratry ny morontsiraky ny faritr’i Boeny.

Vonjy

Partager sur: