Ao anatin’ny tetikasa “Jeunesse malagasy compétente au travail, JMCT” iarahan’ny AUF sy ny Université Trois rivières ary ny kanadianina, ny fampiakarana ny tahan’ny mpianatra mivoaka amin’ny sekoly teknika sy fanofanana arakasa hahita asa sy hahafehy avy hatrany ny fiofanana norantoviny. Misy sehatra telo ao anatin’izany ka iray amin’ireo ny fampiofanana ny mpitantana ny sekoly teknika sy ny sehatra tsy miankina handroso paikady hampitomboana ny fahaiza-manaon’ny mpianatra. Fomba fampianarana iraisan’ny toeram-pampianarana sy ny orinasa handray ny mpianatra ny Alternance formation emploi (ATE) ka sady mianatra no miasa izy ireo. Tsy fianarana asa no atao eny anivon’ny orinasa fa raisina ho toy ny mpiasa ilay mpianatra. Ilaina, noho izany, ny fametrahana paikady tokana eo amin’ny sekoly teknika sy ny sehatra tsy miankina, hoy ny manampahaizana kanadianina avy amin’ny Université Trois Rivières, Quebéc, Razakamananifidiny Patrick. 28 ireo niofana, nahitana ny mpitantana sekoly sy ny sehatra tsy miankina ary ny minisitera mpiray ombon’antoka. Ivontoeram-pampianarana sivy no voakasiky ny tetikasa: IST, INSCAE, INTH, LTP…
Efa nampiharina tany amin’ny IST Antsiranana sy ny banky tany an-toerana ny ATE ary nahomby ny fiaraha-miasa. Toy izany koa ho an’ny lalam-piofanana fizahantany ka mpianatra 40 no niantefany.
Vonjy




