Fanadinana CEPE : manomboka ny fisoratana anarana

Efa mitombo ny isan’ny olona mangataka taratasim-panjakana eny amin’ny biraon’ny boriborintany hikarakarana fanadinana fa misokatra ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana.

Efa nisokatra ny alatsinainy 22 janoary teo ny fotoana fisoratana anarana ho amin’ny fanadinam-panjakana voalohany, CEPE, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Mbola ny 22 marsa ho avy izao vao hikatona izany fandraisana ny antontan-taratasy izany. Ho­tontosaina ny talata 18 jona ny fanadinam-panjakana voalohany amin’ity taona ity. Ny talen-tsekoly no mikarakara ny fandefasana ny antontan-taratasy fisoratana anarana. Hosantarina ny alatsinainy 5 febroary ho avy izao kosa ny fandraisana ny fisoratana anarana ho an’ny mpiadina ny BEPC. Hifarana ny 5 avrily ny fametrahana ny antontan-taratasy ho an’ny sekoly rehetra sy ny mpiadina misora-tena. Hiatrika ny fanadinana ny mpiadina ny 1 ka hatramin’ny 4 jolay. Misahana ny antontan-taratasy ny talen’ny kolejy sy ny Lycée manerana ny Cisco. Nambaran’ ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena fa maimaimpoana ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana roa voalohany. Mila vola anefa ny fikarakarana fanadinana, anisan’izany ireo lehiben’ny foibem-panadinana amin’ny fanatanterahana, manomboka amin’ny olona hiantoka ny fiambenana ny laza adina hatrany amin’ny fitaterana izany.
Nanamafy ny mpitondra tenin’ny Vovonan’ny sekoly tsy miankina fa tsy mbola misy toromarika avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazana momba ny fanadinana roa amin’ity taona ity. Nametraka sahady ity tomponandraikitry ny fanabeazana ity fa tokony hojeren’ny fanjakana akaiky ny fanaovana « cours » manerana ny tanàna izay manimba ny lentan’ny fanadinam-panjakana sy ny fivoahan’ny laza adina mialoha ka mampihen-danja ny vokatra.

Vonjy

Partager sur: