Fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza : nitety ny asa any atsimo i Reena Ghelani

Tamin’ity herinandro ity, nidina tany atsimon’ny Nosy, nitety ireo asa tohanan’ny mpamatsy vola sy ireo mpiara-miombon’antoka ny iraky ny Firenena mikambana tarihin’ny sekretera lefitra, i Reena Ghelani. Notarihin’ny tale je­neralin’ny BNGRC ireo ekipa nanao fitetezam-paritra.
Nisantarana ny dia ny fitsidihana ny Start Network ao Anjataoka 3. Nanazava ny tombontsoa azony tamin’ny tohana ataon’ny ONN, vatsian’ny UNICEF vola, ireo mpisitraka. Nahazo fiofanana ma­nokana ho an’ny reny izy ireo mba hahay handrefy ny soratanan’ny zanany (PB) ka hisorohana sy ahafantarana mialoha raha sanatria tratra na misy soritra tsy fanjarian-tsakafo ilay zaza.
Nitsidika ny PMS (Pay­sans multiplicateurs de semences) sy ny ECP (Ecole champ paysans) ihany koa ny delegasiona. Ny PMS dia komity mpamokatra Tabiry/ Doria Bajiry sy Ampemba mba ho fiomanana sy ho fisorohana mialoha amin’ny haintany sy ny tsy fisian’ny Doria. Fampianarana ny ankizy dieny mbola kely hahay ma­mokatra sy mikajy Tabiry/ Doria.
Nisy ny fitsidihana ny saha fampitomboana Tabiry/Doria izay tohanan’ny FAO ka nahitana Saha famokarana doria voanjo katra sy doria katsaka tondrahana amin’ny paompy mandeha amin’ny herin’ny masoandro, amin’ny fomba kalifornianina. Tohanan’ny FAO ara-bola ny tetikasa.
Programan’asan’ny fanjakana avokoa ny tetikasa fa tohana sy fanampiana no anjaran’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola.

Tatiana A

Partager sur: