Androndrakely: hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka

Eny amin’ny fokontany Androndrakely indray ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, ho an’ny boriborintany faharoa, amin’io herinandro io.
Ny 13 hatramin’ny 16 feb­roary no hanatanterahina iza­ny eny an-toerana. Tsy miova ny tolotra fa toy ny efa nisitrahan’ireo teny amin’ny boriborintany hafa ihany.
Ankoatra ny fizaham-pa­ha­salamana amin’ny ankapobeny, hisy ny fitsapana tosidra sy ny fitiliana diabeta. Ma­nampy izany ny fitiliana ny raboka. Raha toa ka misy kohaka mitarazoka dia afaka entina eny hotilina.
Tsy diso anjara ireo zaza amin’ny fanaraha-maso ny lanjany sy ny torohevitra ara-tsakafo. Misy ihany koa ny fizahana maso maimaimpoana. Ny fanaovana vaksiny covid19 miaraka amin’ny fanazavana sy torohevitra mahakasika izany.
Ankoatra ireo, hita eny koa ny fandrindram-piterahana ho an’ny renim-pianakaviana, fitiliana ny tsimokaretina VIH/ Sida.

Tatiana A

Partager sur: