Toekarena : manodidina ny 37,9% ny mponina manana asa

Ambany ny tahan’ny fananana asa eto Madagasikara, raha tanora latsaky ny 25 taona ny 64% ny Malagasy. Tombony ho an’ny toekarena kosa ny fananana loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona.

Ao anatin’ny andry telo lehibe iompanan’ny Poli­tika ankapoben’ny fanjakana ny loharanon-karena mifototra amin’ny maha olona. Latsaky ny 25 taona avokoa ny 64% ny Malagasy. Tombony izany ho an’ny sehatry ny toekarena sy ny fampiasam-bola. Ho an’i Mada­ga­sikara, manodidina ny 37,9% ny tahan’ny olona manana anton’asa ka lehilahy avokoa ny ankamaroany. Mbola ambany ihany koa ny tahan’ny fidirana an-tsekoly, mazana tsy mahatody lavitra eo amin’ ny sehatry ny fanabeazana ny ankizivavy. 32% ny tahan’ny vohoka aloha loatra ho an’ny ankizivavy, hoy ny minisiteran’ny Fahasala­mana. «Ilaina ny fanabeazana ara-pananahana ny tanora, hisorohana ny fitomboan’ny mponina be loatra», hoy ny tale jeneraly misahana ny atontanisa (Instat), Ndremitsa­ra Tarzan, omaly, teny Anosy. Mahatratra hatrany amin’ny 59 470 566 ny Malagasy amin’ny taona 2050, araka ny fanadihadiana nataon’ny Instat. Vehivavy avokoa ny 29 960 707, raha lehilahy kosa ny 29 509 859. Natolotra omaly ny paikady hampandrosoana ny antontanisa (SNDS) ny taona 2023-2030 sy ny vokatry ny fanisam-bahoaka andiany fahatelo, ny taona 2018 (RGPH3). Hita ao anatin’ny SNDS avokoa ny asa ataon’ny Instat izay miankina amina andry efatra. Ny fanatsarana ny fitantanana ny rafitry ny atontanisam-pirenena, ny fanamafisana ny fahaiza-manao hampiharana izany, ny fampandrosoana ny famokarana ny atontanisa ary ny fa­napariahana sy ny fitehirizana ireo vokatry ny atontanisa amin’ny fampiasana ny niomerika.

Paikady
Manodidina ny 29 tapitrisa eo ny mponina eto Mada­ga­si­kara, ahina hitombo avo roa heny izany afaka 25 taona raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana. Ta­fakatra hatrany amin’ny 4% ny fitomboan’ny mponina an-tanàn-dehibe. Antony mahatonga izany ny fifindra-monina, in­drin­dra ho an’ny afovoantany, hoy hatrany ny fanazavana voaray. Tafiditra ao anatin’izany ny fitadiavana ireo fotodrafitrasa samihafa sy ny toeram-pambolena. Ambo­ny lavitra kosa ny tahan’ny zaza teraka eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

Henintsoa Hani

Partager sur: