Distrikan’i Betroka : mitaraina ireo kandida tsy miankina

Samy nanao fanambarana ireo kandidà nilatsaka hofidina, tao amin’ny distrikan’i Betroka, ny faran’ny herinandro teo. Izy ireo izay samy kandidà tsy miankina avokoa. Tao anatin’izany no nanehoany ny heviny sy ny fahitany ary ny niainany ny zotram-pifidianana solombavambahoaka farany teo. Nilaza ny kandidà laharana fahatelo fa feno hosoka tanteraka ny zotram-pifidianana, na ny nialoha, na ny nandritra, na ny taorian’ny fifidianana, ary manana porofo amin’izany izy ireo, tao amin’ity distrika ity. Ny kandidà laharana voalohany kosa izay milaza fa lany tao anatin’ny ara-dalàna. Miisa telo izy ireo no nirotsaka hofidina solombavambahoaka tao amin’ity distrika ity, raha tsiahivina.
Ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) irery ihany no tompon’ny teny farany amin’ny fanambarana izay lany nandritra izany. Raha ny mahakasika ity fifidianana solombavambahoaka tao Betroka ity, samy naneho ny heviny ny kandidà laharana fahatelo sy ny laharana voalohany, raha nisafidy ny hangina ny laharana faharoa. Efa nisy ihany koa anefa ny fitarainana nataon’izy ireo teny anivon’ny HCC. Etsy ankilan’izay anefa, nilaza ny kandidà laharana voalohany fa lany tao anatin’ny ara-dalàna ny tenany ary afaka mametraka fitoriana ny rehetra.

Lin

Partager sur: