Mitaky fanavaozana manontolo ny Birao mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni) sy ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny vovonana Kolektifa an’ny Malagasy sy ny herivelona samihafa miara-dalana aminy. Izany no hatao mba hisian’ny fifidianana madio sy ny fahamarinana eto amin’ny firenena, araka ny nambaran’izy ireo.
Lany tsy nasiam-panitsiana, teny amin’ny Antenimierampirenena, ny “projet de Loi de finances réctificative 2024” (PLFR 2024). Samy nandatsa-bato nandany azy io avokoa ireo solombavambahoaka 64 tonga teny Tsimbazaza. Hodinihin’ny Antenimierandoholona manomboka anio kosa izany.
Nisy ny fanambarana nataon’ny vahoaka manohana ny kandidà laharana fahadimy, natolotry ny vovonana Irmar, tao amin’ny distrikan’i Manjakandriana, ny amin’ny tsy fanarahan-dalàna nisy tao amin’ny distrikan’izy ireo, nialoha sy nandritra ny fifidianana solombavambahoaka. Anisan’izany ny fividianana safidim-bahoaka ankolaka. Teo ihany koa ny fanodinkodinana safidim-bahoaka.
Nanao fitsidihana ara-pomba ofisialy ho fametraham-beloma ny Praiminisitra, Ntsay Christian, teny amin’ny Lapan’i Mahazoarivo, ny masoivohon’i Allemagne, Sem Mickael Hausler, omaly, rehefa nahavita ny fe-potoam-piasany. Nisy ny jery todiky ny fiaraha-miasa teo amin’ny firenena roa tonta, izay nanehoan’ity masoivoho ity ny fahafaham-pony ary nanambara izy fa hitohy ao anatin’ny tsaratsara kokoa izany fiaraha-miasa izany.