Namoaka ny tatitra fanaony isan-taona ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly, Bianco, omaly. Toy ny mahazatra, ireo minisitera fototra no tena aharaisana fitarainana maro.
Tontosa, omaly, teny amin’ny foiben’ny Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly (Bianco), Ambohibao, ny lanonam-panjakana nanolorana ny tatitry ny asa vita momba ny ady amin’ny kolikoly nandritra ny taona 2023. Nivoitra tamin’izany fa ireo minisitera fototra, mahakasika ny fiainam-bahoaka amin’ny ankapobeny, no tena voakasiky ny fanaovana kolikoly.
Nahatratra 3 147 ny fitarainana voaray. Ny 45% tamin’ireo no nanaovana fanadihadiana. 556 ny antotan-taratasin’ady nalefa teny anivon’ny fitsarana. Miisa 95 ny olona nampidirina am-ponja. « Nahavita ny asany ny Bianco, na dia teo aza ny tsy fahatomombanana ara-materialy nahafahana nanatontosa izany » hoy Andrianirina Laza, Tale jeneralin’ny Bianco.
Sampandraharaha miandraikitra ny fampiharana ny lalàna ny Bianco, kanefa manome vahana ny fanabeazana ihany koa. Tafakatra 156 ny tambajotra niorina ho fanabeazana ny tanora amin’ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny fampidirana ny taranja Ady amin’ny kolikoly eo anivon’ireo sekoly manofana ho mpiasam-panjakana. Ankoatra izay ny fandefasana fandaharana “Aok’izay ny kolikoly”, tamina onjam-peo 103, manerana ny Nosy. Manginy fotsiny ny fampiofanana ny olon-drehetra mahakasika ny kolikoly.
Nojerena manokana
Anisan’ny nomen’ny Bianco lanja manokana, nandritra ny taona 2023, ny mpiasam-panjakana. Nisy ny fampidirana ny politika anatiny iadiana amin’ny kolikoly teny anivon’ny minisitera. Nampiarahana ny fitsirihana izay mety hidiran’ny kolikoly sy ny hosoka amin’ny asa izany. Nanaovana ezaka manokana ny fanafoanana na ny fampihenana ny hirika hidirana amin’ny kolikoly amin’ny fifaninanana hidirana ho mpiasam-panjakana.
Nanolo-kevitra
Nanararaotra ity fotoana nanaovana tatitra ity ny Bianco nanaovana tolokevitra ho an’ny tomponandraikitra, entina manatsara ny ady amin’ny kolikoly. Anisan’izany ny fanatanterahana ny fihaonana isan-taona eo amin’ny Governemanta sy ny Bianco, araka ny voafaritry ny lalàna. Torak’ izany ny fanarahana ny fenitra iraisam-pirenena mahakasika ny vola ampiasaina amin’ny ady amin’ny kolikoly.
Olo-manankaja sy olom-panjakana maro no tonga nanome voninahitra ny lanonana.
Lin