Praiminisitra Ntsay Christian: hampahafantatra ny fandaharanasany

Nolanian’ny filankevitry ny minisitra, afakomaly, tetsy Ambohitsorohitra, ny didim-panjakana miantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta. Hotanterahina ny zo­ma 9 ao­gositra sy ny alatsinainy 12 izao izany. Anisan’ny lahadinika ny fampahafantaran’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, amin’ireo parlemanta, ny fandaharanasa hanatanterahina ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Voafaritry ny And.99 amin’ny Lalàmpano­renana izany ary manamafy fa eo an-dalam-panatanterahana izany raha misy ny fanovana he­verin’ny goveremanta tsy maintsy hatao. Anjaran’ny praiminisitra ny manolotra ireo fa­novana ireo eo anivon’ny Ante­nimi­eram­pirenena. Afaka ma­no­lotra sosokevitra koa anefa ireo depiote, araka ny tatitry ny filankevitry ny minisitra hatrany.
Tafiditra amin’ny fampiharana ny And.76 sy 85, voalazan’ny Lalàmpanorenana, izao fiantsoana fivoriana izao. Miainga amin’ny lahadinika ma­zava, amin’ny alalan’ny didim-panjakana raisin’ny filohan’ny Repoblika eo anivon’ny filankevitry ny minisitra, noho ny fangatahan’ny praiministra, na noho ny fangatahan’ny von­drona manana maro anisa eo anivon’ny Antenimierampi­renena.
Tsiahivina fa nitarika izao filankevitry ny minisitra manokana izao ny filoha Rajoelina Andry ary natrehin’ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo minisitra sasantsasany.

Synèse R.

Partager sur: