“Raharaham-pirenena ny fifidianana ary ny lalàna no manery ny tomponandraikitra isan’ambaratonga hiroso amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Tsy misy antony tsy hahavonona sy tsy hahatombana ny enti-manana
amin’izany. Adidin’ny Ceni no mifampiraharaha amin’ny tomponandraikitry ny fitantanam-bolam-panjakana, mandresy lahatra azy ireo amin’izay takin’ny fanatanterahana ny fifidianana.
Misy lafiny teknika mety hanery ny tomponandrikaitra hieritreritra hoe: sao tratra aoriana loatra raha miandry 90 andro mialoha vao hamoaka ny didim-panjakana fanaikana mpifidy? Heverina hahatsapa an’izay ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Na ny fanontana ny biletàm-pifidianana aza, ohatra: tsy mitovy ny fe-potoana takina tamin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izay biletàm-pifidianana iray sy izay ilaina amin’ny fifidianana ben’ny Tanàna 1 600 mahery ny kaominina manerana an’i Madagasikara.
R. Nd.




