Tetikasa PTASO: hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny MFFT sy ny MICC

Tontosa omaly, ny fivoariana mahakasika ny « Projet de Zone de Transformation Agro-Industrielle dans la ré­gion du Sud- Ouest » PTASO. Tetikasan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra (MICC), vatsian’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) vola izy ity. Ny ho fanohanan’ny minisiteran’ny Fi­tsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany (MFFT) amin’ny fahazoana ny fiarovana ny tany nofaritan’ny PTASO, any Ankoronga, Toliara II no an­ton’izao fivoriana izao. Ani­san’ny nitarika izany fivoriana izany ny minisitry ny Fitsin­jaram-pahefana sy sy fanajariana ny tany, Andriantsi­to­haina Naina. Hisy, araka izany, ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny minisitera roa tonta ho fanatontosana izany tetikasa izany.
Miroso amin’ny fanatanterahina ireo tetikasa maro samihafa, ho fanatanterahina ny vina sy ny paikadiny, ny fi­tondram-panjakana amin’ny alalan’ireo minisitera isan-tsokajiny. Tafiditra ao anaty fanatanterahina ny fampiroboroboana ny indostria, izay ani­san’ireo andry telon’izao fitondram-panjakana izao. Eo ihany koa ny vinan’ny filoham-pirenena ny amin’ny fanatrana tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Hisy ny fa­nanganana toeram-pambolena indostrialy sy ivon-toerana fambolena ao anatin’ity teti­kasa PTASO ity.

Lin

Partager sur: