“Ny Praiminisitra amin’ny maha lehiben’ny governamanta azy no mitondra ny Programa ankapoben’ny fanjakana (PGE) eo anoloan’ny parlemanta, dia ny parlemanta no mahita izay azo hanampiana na hanalanana ho fanazavana izany”. Io ny fanazavan’ny loholon’i Madagasikara, Andrianandrasana Tahina Hajaniaina, teny Anosikely, afakomaly, manoloana ny filazana fa tsy ara-dalàna ny fiantsoana fivoriana tsy ara-potoan’ny parlemanta hanoloran’ny Praiminisitra ny PGE fa tsy mbola mijoro ny governemanta vaovao. Ny And. 99 manery ny Praiminisitra ao anatin’ny 30 andro taorian’ny nanendrena azy hitondra ny PGE eo anatrehan’ny parlemantera. Mampisavorovoro ny saim-bahoaka ny hevitra ankoatra an’izay. Tsy misy ny fanerena ny mpikamban’ny governemanta hanatrika ny fanolorana ny PGE. Saingy mahazo manatrika izy ireo, satria misy ny governemanta ary mbola mitohy ny asany.
Toy ny te hiteny ireo olona mitsikera ny fivoriana tsy ara-potoana hoe mila hatsangana faran’izay haingana ny governemanta na omena haingana ny anaran’izay ho amin’izany, fa misy toerana banga ao. Na toy ny te hiteny hoe omena azy itsy na iroa. Manana ny programany ny fitondram-panjakana ary mandeha ny fiainam-pirenena, araka ny fisoloana toerana nanomezana fahefana feno hampandehanana an’ireo departemanta. Koa tsy atao sakana ny fisiana na tsia ireo minisitra manoloana an’ireo departemanta banga noho ny minisitra lasa depiote na antony hafa. Tsy sakana ny hahazoan’ny Praiminisitra manatanteraka ny fanolorana ny PGE, fa tsy hoe tsy maintsy misy minisitra miresaka. Izay no natao hatramin’izay.
R. Nd.