Auteur/autrice : Adnews

Faritr’Itasy : Taribin-jiro 600 m nisy nangalatra

Mirongatra ny halatra taribin-jiro any amin’ny lalam-pirenena voalohany, indrindra any amin’ny faritra Itasy. Tamin’ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo, nahatratra 600 m ny taribin-jiro nisy nangalatra tamin’ny zotra «triphasée» eny Soamahamanina. Niteraka fahatapahan’ny fa­matsiana herinaratra maro izany, nanomboka teo Soa­mahamanina, Mandiavato, Miarinarivo, Manazary, Am­batomanjaka, Analavory, Am­pefy, Mananasy hatrany Soa­vinandriana. Nametraka […]

Fikaonandoham-pirenena: Hiofana ireo « Trio » ho eny ifotony

Miroso tsikelikely ny fiatrehana ny fikaonandoham-pirenena. Anisan’ny efa handeha ny eny anivon’ny fokontany. Nambaran’ny loharanom-baovao eo ani­von’ny FFKM fa efa hanomboka tsy ho ela ny fanofanana ireo mpanamora sy mpitantsoratra ary koa ny mpiandraikitra hisahana ny fitaovana «Trio». Efa maro ireo zanaky ny fiangonana eo anivon’ny FFKM namaly ny antso […]

TARATRY ny KANTO

Hahemotra amin’ny fotoana manaraka ny « Zoma ifampizarana », adihevitra tokony hotontosaina ny zoma izao, eny amin’ny Mozea ICMAA Isoraka. Noho ny fotoam-pahatsiarovana ny hetsika nisy teto amin’ny firenena no antony. Mbola vonona amin’ny fotoana manaraka koa ny pasitera Kotobesoa, hiresaka ny lohahevitra “Le “fatrange”, territoire des vivants et mémoire des morts ». […]

« Ant’SAry Doc Mada », andiany faha-4 : Hasongadina ireo horonantsary fanadihadiana

Horonantsary maro notontosaina tany amina firenena 10, anisany ny eto Madagasikara. Ireo no halahatra, hampahafantarina sy hifaninanana mandritra ny “ant’Sary Doc Mada”. Hatao eto Antananarivo ny andiany faha-4 amin’ny “Festival Ant’Sary Doc Mada”, ny 25 septambra hatramin’ny 3 oktobra izao. Hetsika iraisam-pirenena, mi­o­mpana manontolo amin’ny horonantsary fanadihadiana izy ity. Sanganasa […]

INDRAY MIJERY

Sekoly vaovao miisa telo, samy manana efitrano fianarana roa, no naorina ao amin’ny kaominina Miary Lamatihy, distrikan’i Sakaraha. Tamin’ny alalan’ny tetikasa Contribution large à l’amélioration de la scolarisation, de la santé et de l’environnement des enfants (Classes), tanterahin’ny ASOS, tohanan’ny ONG Partage no nahavitana izany. Misy sekoly roa hafa koa […]