Mampahatsiahy hatrany ny FFKM fa tsy fivoriana fotsiny ny dinika nasionaly. Fomba iray hifampihainoana sy hiaraha-midinika mba hitadiavana vahaolana maharitra ho an’ny firenentsika, araka ny nambaran’izy ireo, omaly. « Fomba iray hanamafisana ny fiombonam-pirenena sy ny firaisankina io. Aoka isika handray anjara sy hiara-kanorina », hoy izy ireo. Nohitsin’ny RCR, tarihin-dRazafiarison Laza, […]
Auteur/autrice : Adnews
Mitaky firaisan-tsaina
Mba aza voany ihany! Rehefa mihenahena aloha amin’izao dia mahita faisana. Tahaka ny mamofopofona “avereno” indray ilay raharaha manga. Ohatra ny hataon’ny sasany tetezana hiverenan-dalana ilay izy. Aiza koa fitakiana sosialy, mivadika faty olona. Na inona na inona lazaina misavorovoro ny eto an-tanàna. Porofo mivainga ilay mivoaka miditra amin’ny […]
Fikaonandohan’ny antoko : Mitaky ny hanavaozana ny sehatra ny MMM
Nitohy tany Manakara indray ny fikaonandoham-paritry ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny herinandro teo. Hentitra ny filoha nasionaly, Andrianainarivelo Hajo, ary mbola nanamafy hatrany fa ilaina ny fametrahana faritra mahazaka tena hipetrahan’ny tena fampandrosoana. Tsy tokony hijanona eo fotsiny anefa izany, fa ilaina miara-dalana amin’izany ihany koa ny fanatanterahana ny […]
Tsingerintaon’ny tolona 2025: Tsy mampitovy fijery ny fanaovana hetsi-pahatsiarovana
Hitsingerina ny 25 septambra izao ny tolona notarihin’ny Gen Z. Hisy ny hetsi-pahatsiarovana izany izay miteraka tsy fitoviam-pijery amin’ireo ankolafin-kery isan-tsokajiny. Rindran-kira ara-pilazantsara, fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana… Hetsi-pahatsiarovana ny tsingerintaon’ny tolona 2025 ireo. Eo koa ny fandraisam-pitenenan’ireo tomponandraiki-panjakana, ny tsiahin’ny zava-nitranga, ny diabe Antanimbarinandriana-Kianjan’ny 13 mey. Hisy koa ny fitokanana takela-pahatsiarovana, ny […]





