Nirefodrefotra ny poa-basy teny amin’ny manodidina ny trano dimy, Ampangabe, boriborintany fahefatra, ny alin’ny alatsinainy 14 septambra teo. Nitrangana fanafihan-jiolahy tao amin’ny fokontany Anosibe Ambilanibe, talohan’io tranga io. Lasan’ireo tsy mataho-tody ny vola teny amin’ity renim-pianakaviana. Naratra vokatry ny herisetra nataon’ny jiolahy azy ilay ramatoa. Jiolahy roa lahy naneho fihetsika […]
Auteur/autrice : Adnews
Notafihan’ny jiolahy efatra : Telo mianaka naratra, voaroba ny vola
Voatery manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly, vokatry ny daroka sy vono nahazo azy, ny raim-pianakaviana iray ao amin’ny fokontany Ambodisaina, kaominina Toamasina, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 14 septambra lasa teo. Nanao saron-tava avokoa ireo jiolahy miisa efatra izay niditra an-keriny tao amin’ilay tokantrano lasibatra. « Nizarazara nisava ny tato […]
Nanapa-dalana teny Ambatofotsy: Mpitokona iray maty, 16 voasambotra
Voalaza fa maty voatifitra teo amin’ny loha ny iray tamin’ny mpitokona, omaly, teny Ambatofotsy. Nisy 16 hafa nosamborina. Mitaky ny tsy hanesorana azy ireo eny amin’ny Fasan’ny Karana izy ireo. Milaza ny tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny ny fanjakana. Nidina an-dalambe teny amin’ny lalam-pirenena fahafito ireo mpitatitra avy eo amin’ny Fasan’ny […]
Tir en l’air du 15 septembre 2026
Sombim-baovao
Norombahin’ny ekipam-pirenena malagasy, nisy an’i Bondy sy i Balôty ary i Lova, ny andiany faha-47 “National Open Top 1000 de Chalon sur Saone”, taranja tsipy kanetibe. Fihaonana notanterahina tany France, ny alahady lasa teo. Resin’izy ireo teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 9, ny ekipan’i Laleuf. Hanomboka rahampitso, […]





