Auteur/autrice : Adnews

Fanaingana ny toekarena : Mila mifampatoky ny fanjakana sy ny mpandraharaha

Notanterahina teny amin’ny CCI Ivato, omaly ny “Dinika ho fanaingana ny Toekarena”. Tapaka fa hisy ny drafitrasa nasionaly mba tena hitondra fampandrosoana. Niray feo amin’ny hisian’ny fifampitokisana ny fanjakana sy ny mpandraharaha. Tontosa soa aman-tsara omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny « Dinika ho fa­naingana ny toekarena » eto Madagasikara. Nilaza ny […]

FANTINA sy FINTINA

”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]

Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”

“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manom­boka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]

Mety ho lasa lavitra

  Samy manana ny fandraisany sy ny fandrefesany ny fahombiazan’ilay fitondrana ny isam-batan’olona. Misy ny mandokadoka mafy sy resy lahatra fa tena manao ilay fanjaka-miaramila. Sanatrian’ny vava, avadiky ny sasany ho fisolelahana diso tafahoatra aza. Tena toraka voninkazo tsy misy tahaka izany. Miedinedina mihitsy ho mahavita zavatra. Etsy ankilan’izay, tsy […]

Sahondrarimalala Marie Michelle : Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Avaradrano

Anisan’ny raharaha politika be mpanaraka, amin’izao fotoana izao, ny mahakasika ny minisitry ny Fanabeazana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Manameloka ny fitazomana azy ho tsy ara-dalàna ny mpanohitra. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tapony, omaly alina, ny solombavambahoaka voafidy tany Fianarantsoa I, sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondra­rimalala Marie […]