Auteur/autrice : Adnews

Tselatra

Lehilahy telo mpivarotra rongony voasambotry ny polisy tao Miakadaza, kaominina Imerintsiatosika, afakomaly. Nosavaina, nahatrarana fonosana rongony efa voatsinjara teny amin’izy telo lahy. Nogiazana ireo zava-mahadomelina ary natolotra ny fampanoavana izy ireo. Mpanendaka miisa efatra saron’ny polisy tao amin’ny fokontany Tsararano, kaominina Mahajanga, afakomaly. Ikoizana amin’ny asa ratsy amin’ny fokontany manodidina […]

Anosipatrana: mpangalatra moto voatora-bato

Nandositra nikasa hiampita ny ranon’Ikopa, voasambotry ny fokonolona ka natolotra ny mpitandro filaminana ny lehilahy iray mpangalatra moto teny Anosipatrana, omaly maraina. Moto an’olon-tsotra napetraka teo amin’ny toerana voatokana sady andoavam-bola ity nokasain’ny olon-dratsy hangalarina ity. Tsy nampoiziny, niverina tampoka ny tompon’ny moto. Nahita ny fihetsik’ity olon-dratsy ity izy. Nandositra […]

Zom-pirenen’ny filoha teo aloha: mitory an-dRajoelina Andry ny eo anivon’ny Primatiora

Nametraka fitoriana mahakasika ny zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Rajoelina Andry, eny amin’ny Pac ny eo anivon’ny Primatiora. “Manomboka ny fanadihadiana mahakasika izany”, hoy ny Tonia mpampanoa lalàna ambony, Manjany Bienvenu. Hanomboka ny fanadihadiana mahakasika ny raharaha zom-pirenen’ny filoha teo aloha, Ra­joelina Andry. Nipetraka ho mpitory amin’izany ny fitaleavana misahana ny […]