Noho ny fiakaran’ny reniranon’i Mandrare, Amboasary Atsimo (faritra Anosy), vokatry ny habetsahan’ny rotsakorana, ny herinandro lasa teo, aman-jatony ireo mponina manodidina traboina. Nanamafy fiombonana tamin’ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny any an-toerana nijery ifotony ny zava-misy ny ekipan’ny fahasalamana, notarihin’ny Médecin inspecteur ao Amboasary Atsimo, ny faran’ny herinandro teo. Nanolotra lay misy odimoka […]
Auteur/autrice : Adnews
Hopitalim-panjakana : Nitrangana antandrevaka, namoizana aina roa
Nanomboka ny fiandohan’ity taona ity, indroa nahitana antandrevaka amin’ny fandraisana marary eo anivon’ny hopitalim-panjakana, namoizana aina avokoa izany. Ny voalohany, tranga niseho tao Miandrivazo, nahafatesana mpitsara iray niala sasatra tany an-toerana, ny 2 janoary lasa teo. Tranga faharoa ny tao Toamasina, ny 10 janoary ka mpiasan’ny fadintseranana indray no lasibatra […]
Ny vokatra malagasy : Tokony hanaraka ny fenitra takina
Manana vokatra marolafy azo trandrahina i Madagasikara entina hampandrosoana ny toekarena sy hampivelarana ny fifanakalozana amin’ny varotra. Na izany aza, mila manaraka fenitra takin’ireo Nosy rahavavy ny vokatra raha hampiditra izany amin’ny tsena ao amin’ny ranomasimbe Indianina. “Manampy hifehezana ny tsena ny kalitaon’ny zavatra vokarina”, hoy ny mpamokatra iray. Ilaina […]
RN5, Toamasina-Foulpointe: Mitohy ny fanamboarana
Tafiditra amin’ny fanarenana ny lalam-pirenena fahadimy (RN5) izay mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe, ny fitondram-panjakana amin’izao. Lalana stratejika ho an’ny fivezivezena samihafa, indrindra nandritra fotoam-piotazana letisia, io lalam-pirenena io. Anatin’ny asa tanteraka amin’izao fotoana ireo tomponandraikitra na teo aza ny fahatarana noho ny antony maro, toy ny rotsakorana nifanesy. Nananosarotra […]
Tao anatin’ny 11 volana: Maherin’ny 6 t ny lohamenaka naondrana
Taom-pahombiazana ho an’ny sehatry ny fanondranana lohamenaka ny taona 2025 satria nampidi-bola hatrany amin’ny 452,3 miliara Ar tao anatin’ny kitapombolam-panjakana. Vokatra 6 700 taonina no naondrana teo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Tsara ny vokatra, tafakatra hatrany amin’ny 6 700 taonina ny lohamenaka naondran’i Madagasikara tao anatin’ny 11 volana voalohan’ ny taona […]




