Mandray anjara mavitrika amin’ny fivorian’ireo Governoran’ny Banky Afrikana ho an’ny Fampandrosoana (Bad), izay atao any Abidjan nanomboka ny talata 6 janoary, ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola malagasy, Dr Ramiarison Herinjatovo Aimé. Fihaonana ambony natao ho sehatra ifampizarana traikefa sy fifampidinihana ara-stratejika eo amin’ireo firenena mpikambana sy ny Bad, indrindra […]
Auteur/autrice : Adnews
Toamasina : Oratsimba 7 taonina mahery nogiazana
Tsy ara-dalàna. Nogiazana avokoa ireo oratsimba milanja 7 491 kilao tratra nandritra ny fanaraha-maso nataon’ny Centre de Surveillance des Pêches (CSP) tao Toamasina, ny volana desambra teo. Nivoitra tao anatin’ny fitsirihana fa tsy ampy refy ary tsy nanaraka ny fepetra takina amin’ny fanondranana ny 2 441 kilao tamin’ireo vokatra. Ankoatra […]
Fadintseranana malagasy : Nampidi-bola maherin’ny 3 miliara Ar
Niakatra 6% ny vola nampidirin’ny fadintserana raha oharina ny tamin’ny taona 2024. Mikendry hatrany ny hanatsara ny fomba fiasany ity rafi-panjakana ity ho an’ny taona 2026. Tsara ny vokatra ho an’ny fadintseranana malagasy. Tafakatra hatrany amin’ny 3 642,3 miliara Ar ny vola nampidiriny tao anatin’ny 11 volana voalohan’ny taona 2025. […]
FANTINA sy FINTINA
Tonga niarahaba ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, niaraka tamin’ireo mpanolotsaina avo, teny Lapan’ Ambohitsorohitra, afakomaly, noho ny taona vaovao 2026, ny fianakaviamben’ny Tafika notarihin’ny minisitry ny Foloalindahy, ny jeneraly Razafitombo Maminirina Ely. Nanambaran’ny filoha fa fanehoana fiaraha-mandroso ny fahatongavan’izy ireo. Tsy hanala baraka ny Tafika izy […]
Diplaomasia : Misokatra amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara
“Misokatra amin’ny fiaraha-miasa i Madagasikara ao anatin’ny fifanarahana madio sy tsy misy fitsabahana”. Io no tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fiarahabana azy sy ireo mpanolotsaina avo nataon’ny vondron’ny ambasadaoro vahiny miasa eto Madagasikara, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny faran’ny herinandro teo. Saika nahatonga solontena […]




