Auteur/autrice : Adnews

Volley-Taona 2026 : Feno tanteraka ny fandaharam-potoana

Fiofanana ho an’ny mpanazatra hatao any Toamasina, no hisantarana ny taom-pilalaovana 2026, ho an’ny taranja volley ball, ny 24 hatramin’ny 27 febroary izao, raha ny fandaharam-potoanan’ny federasionina. Hisy ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, sokajy latsaky ny 19 taona aorian’izay hitiliana izay handrafitra ny ekipa malagasy hiatrika ny “Championnat des Nations […]

Federasionin’ny handball : Kandida efatra nirotsaka hofidina ho filoha

Hofantatra anio, ny anaran’ireo kandida hofidiana izay ho filohan’ny Federasionina malagasin’ny handball. Tsy nandray anjara ny mpitantana teo aloha. Hotanterahina ny sabo­tsy ho avy izao, etsy amin’ ny Lapan’ny Fa­natan­jahantena sy ny Ko­lontsaina Mahamasina, ny fifidianana izay ho filohan’ny Federasio­nina malagasin’ny handball (FMH). Araka ny filazan’ilay loharanom-baovao iray, omaly, fantatra […]

VAOVAO TAMBATRA

Hohatsaraina sy hoharenina ireo fotodrafitrasa famokarana toy ny “Centre Multiplicateur de Semences” (CMS) sy ireo tohadrano. Hohamafisina ihany koa ny tohana hanam-pamokarana, toy ny masomboly sy ny zezika, ho fanatsarana ny vokatra sy ny fari-piainan’ny tantsaha. Hanamafisina bebe kokoa ny seha-pamokarana, ka hiara-hientana ny rehetra amin’ny fampiroboroboana ny fambolena sy […]

Mpiasam-panjakana : Hisitraka famenon-karama ireo misotro ronono

Nanambara tamin’ny alalan’ny taratasy ofisialy ny Direction générale du Budget et des Finances (DGBF) fa hisitraka ny « Complément d’IIR » ireo mpiasam-panja­kana efa misotro ronono. Tafi­ditra ao anatin’ny ezaka fanavaozana ny fitantanan-draharaha ara-panjakana izany, ary tanterahina araka ny fahafahan’ny tetibolam-panjakana. Araka ny fanazavan’ny DGBF, « fanatanterahana feno ny Statut […]

CNAPS : Nametra-pialana ny tale jeneraly

Tontosa omaly tao amin’ny foiben’ny Cnaps Ampefiloha ny fifamindram-pitantanana teo amin’ny tale jeneraly teo aloha, Rahaingonjatovo Vimbina sy ny solotenan’ny minisiteran’ny Asa, Fampananan’Asa ary ny Asam-panjakana, izay minisitera mpiahy. Ity farany izay hiandraikitra ny dingana rehetra mifandraika amin’ny fanendrena izay ho Tale Jeneraly vaovao handimby azy. Maneho ny faniriany mba […]